<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Jesosy o! indreto FFPM257</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jesosy ô ! indreto
 Izahay nasainao eto
 Amin'ny latabatrao,
 Mba tolory mofon'aina,
 O ! omeo ranon'aina,
 Dia ny ra aman-tenanao.

[V2]
 O ! ry Loharanon'aiko,
 Tonga aho, fa ilaiko
 Hianao Mpamonjiko,
 Raiso ka diovy aho,
 Atafio izay mitalaho
 Ny fahamarinanao !

[V3]
 Ry Mpiandry tsara indrindra,
 Taomy aho mba hifindra
 Ao am-balan'ondrinao ;
 Mamonje ka mitahia
 Ireto ondrinao nania,
 Ento any Aminao !

[V4]
 O ! ry Fahazavan'ny saiko
 Sady tanjaky ny aiko,
 Tonga aho ka vonjeo ;
 Noana ka mitaraina,
 Mba vokiso mofon'aina,
 Rano velona omeo !

[V5]
 Indro, miankohoka aho,
 Tompo ô ! ka mitalaho
 Eto anatrehanao ;
 Aza mba manary ahy,
 Izay misento sy manahy,
 Mamelà ny heloko !

[V6]
 Ry Mpisolo ny mpanota,
 Izay nandoa ny tambin'ota,
 Latsa-dra ny tenanao,
 Raisiko am-panajana,
 Fa nataonao fanasana
 Ireto zava-masinao.</lyrics>
<hymn_number>257</hymn_number>
<author>R. Auberlin</author>
</song>